Henoy ny hafatra avy amin'ny namorona ny Académie Fahombiazana
(Ampiakaro ny volume amin'ny hauts-parleurs ampiasainao dia alefaso ny vidéo eto ambany)
Hafaliana ho anay ny mandray anao ato amin'ny Académie Fahombiazana. Maro dia maro ny zavatra ho azonao ato anatin'izany Académie izany, ary tsy vitan'izay ihany fa namana hiara-dia aminao mihitsy izy, hanampy anao, hitarika anao ary hanosika anao amin'ny fahazoana fahombiazana feno amin'ny fiainana.
Teny kely avy amin'ny mpianatra ato amin'ny Académie
"Ny tena hitako fa tsara dia maro dia maro ny
fahalalana azo ato, tsy mijanona na miompana amina
zavatra iray fa mivelatra ihany koa." - Andry
" Raha ny zava-tsoa nentin'ireo fampianarana nomena
maro samihafa ao anatin'ity site web ity dia tena maro dia
maro tokoa.
Anisan'ny tena nanova tanteraka ny fomba fijeriko amin'ny
fihariana ara-bola ireo fampianarana rehetra nomena.
Anisan'ny tena nanampy ahy hiova tanteraka amin'ny
fahazarana andavan'andro koa sy nanampy ahy mba
handroso kokoa, ary amin'izao fotoana izao dia efa
tsapako miroso tsikelikely ho any amin'ny fahombiazana
ara-bola ny tenako
Mahatsapa fa efa manomboka tafiala amin'ny tahotra, ary
sahy maka risika hatrany amin'ny zavatra atao.
Lasa fahazarana ho ahy isan'andro koa
ny fikarohana "valeurs" omena ny olona" - Rija
" Tsara dia tsara avokoa ny fampianarana ary hita ho
mitondra fihavaozan-tsaina sy manome hery sy
ainga vao mitarika amin'ny fananana toe-tsaina tsy
mora kivy fa vonona hiatrika sy hisendra ary
hihoatra izay sakana rehetra manelingelina tsy
hahatongavana amin'ny fahombiazana" -
Joela Tahina
" Ny soa azoko tato amin'ny Académie Fahombiazana :